détente | ala-voly,fkmsm,kermesse,nouvelles | vaovao

10|11|13 – Kermesse 2013 [Lausanne, CH]

7 Nov , 2013  

fly_4

Lalaom-pirahalahiana ho fanohanana tetikasa 2013

Alahady 10 Novambra

Programa

Mampahatsiahy antsika fianakavian’ny mpino fa ny alahady ho avy izao no hatao any Lausanne,

Salle paroissiale de Sévelin, Avenue de Tivoli 74, 1007 Lausanne,

ny lalaom-pirahalahiana izay fanaontsika isan-taona.

Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fotoana.

Ary hahitana ireo lalao samihafa toy ny :

Jeux Bibliques, Belote, Poker, Echecs, Loto ary Tombola.

Ny loka voalohany amin’ny tombola dia « tablette numérique Samsung ».

 Ento ny vady aman-janaka ary ny namana sy tapaka.

 

Fanentanana samihafa

Satria isika fiangonana no antokin’ny « récolte de fonds » hatao amin’io fotoana io ary koa ny fahatanterahan’ny fotoana dia misy fanentanana maromaro atao amintsika.

Manentana antsika hividy ny tapakilan’ny tombola. 5CHF ny vidiny.

Toy ny fanao dia isika mpiangona ihany koa no manolotra ireo lots isan-karazany amin’ny Tombola (ankoatr’ireo nomanin’ny fiangonana). Koa manainga antsika hanolotra lots samihafa.

Manentana antsika ihany koa hikarakara sakafo hamidy. Ny sakafo sy tsakitsaky karakaraintsika ihany no hamidy mandritry ny fotoana. Ary ny fiangonana no hiandraikitra ny zava-pisotro.

Parking

Ho antsika mitondra fiara, dia misy toerana telo ahafahana mametraka fiara amin’io fotoana io :

–       Garage AMAG, avenue de Provence 2, 1007 Lausanne

–       Chemin de Montelly

–       Chemin du Couchant

Retraite spirituelle 

23-24 Novambra any Prêles (Jura Bernois)

Mampahatsiahy antsika fa ny 23-24 Novambra no hatao ny retraite spirituelle araky ny efa nolazaina tamintsika fiangonana.

Manainga antsika hisoratra anarana.

30 CHF ny saran-dasy.

Mampahatsiahy ihany koa fa tsy mandoa saran-dasy ny ankizy latsakin’ny 16 taona ho fanentanana antsika raiamandreny hitondra ny zanaka amin’ny fanabeazana ara- panahy.

Hisy izany ireo activités sy fampianarana natokana hoan’ny zanatsika mandritry ny roa andro hilasiana.

Ny thème noraisina amin’io fotoana io dia ny « Fifankatiavana » araky ny voasoratra ao amin’ny Jaona 13:34-35.

Izay sy izay ihany ny vaovaom-piangonantsika.

Ho amintsika rehetra anie ny Fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy Tompo.

, , , , , , ,


Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *