culte | fivavahana,enfants | ankizy,fkmsm

Fotoam-pivavahana / culte des enfants, 03 décembre 2017, 15:00, Servette (GE)

2 Déc , 2017  

« Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra. »
Matio 19:14

Manasa antsika hiaraka hidera an’Andriamanitra @ fotoam-pivavahana izay nokarakarain’ny sampana

« Sekoly Alahady» eto @ [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina, FKMSM] ,
ny Alahady 03 Desambra 2017,

amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny

Temple de la Servette, avenue Wendt 55 Genève 1203.

Angahatana ireo ankizy manomana ny fotoam-pivavahana mba ho tonga amin’ny 2 ora.

Hanohanana ny sampana sekoly alahady dia misy tsaikitsaky hamidy aorianan’ny fotoana.

Koa dia maniry ny hihaona aminao am-pifaliana.

Ny fahasoavan’Andriamanitra anie ho aminao sy ny ankohonanao.
Fifandraisana: seraweb[@]fkmsm.ch


« Laissez les petits enfants, et ne les empêchez pas de venir à moi;
car le royaume des cieux est pour ceux qui leur ressemblent »

Matthieu 19,14

Vous êtes chaleureusement invités au culte des enfants qui aura lieu au temple de la Servette le dimanche 03 décembre 2017 à 15h.

Tous les enfants qui préparent le culte sont priés de venir à 14h.

Il y aura une vente après le culte pour soutenir la section sekoly Alahady.

Nous espérons vous revoir à cette occasion.

Que Dieu vous bénisse ainsi que votre famille!

culte | fivavahana,fkmsm,g feminine | fanasina

Fotoam-pivavahana / célébration, 19 novembre 2017, 15:00, Ecublens (VD)

17 Nov , 2017  

Manasa anao hiaraka hidera an’Andriamanitra  eto amin’ny FKMSM miaraka amin’ny vehivavy FANASINA.

Ny fotoanantsika manaraka dia ny alahady 19 Novambra 2017 ho avy izao,

amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny
Temple d’Ecublens,
Place de Motty 1, 1024 Ecublens

Koa dia maniry ny hihaona aminao am-pifaliana.

Ny fahasoavan’Andriamanitra anie ho aminao sy ny ankohonanao.

***

Nous vous invitons à la célébration de la FKMSM avec la section des femmes FANASINA.

Notre prochain rendez-vous aura lieu ce dimanche 19 novembre 2017  à 15:00

Place de Motty 1, 1024 Ecublens

Nous nous réjouissons de vous revoir.

Que Dieu vous bénisse ainsi que votre famille!

,

culte | fivavahana,fkmsm

Fotoam-pivavahana / Célébration , 05 novembre 2017 – VAOVAO – INFORMATIONS

2 Nov , 2017  

Ry havana,

Ao anatin’ny fankalazàna ny faha-500 taonan’ny Réforme dia misy hetsika lehibe iraisan’ny tanora protestanta manerana ny firenena Soisy. Tanora 5000 avy amin’ny toerana samihafa no mifamotoana eto amin’ny tanànan’i Calvin hiaraka hankalaza izany fety izany mandritra ny andro vitsivitsy.

Koa amin’izany dia hisy fotoam-pivavahana lehibe hiarahana ao amin’ny Katedraly St Pierre ny alahady 5 novambra ho avy izao. Izany ihany koa no hamaranana ny fankalazana ny Jobilin’ny Réforme.

Mba hahafahan’ny rehetra manaraka ny fotoam-pivavahana dia hampitaina mivantana amin’ny fiangonana eto Genève ny fotoana. Marihina fa efa ho feno ny tanora ny Katedraly ka tsy hisy toerana intsony.

Ireto kosa no toerana afaka aleha mba hahitana ny fampitàna mivantana:

Salle de paroisse de Genthod, temple du Lignon, centre paroissial de Bernex-Confignon, Espace St Luc, temple de Plan les Ouates, temple de Carouge et temple de Chêne.

Hohita mivantana amin’ny fahita lavitra ihany koa ny fotoana, na ho an’ny eto Soisy amin’ny alalan’ny RTS na ho an’ny eto Eropa amin’ny alalan’ny Eurovision.

Ary afaka arahina mivantana koa amin’ny alalan’ity rohy ity : https://reformaction.churchonline.org

Asaina manokana isika Malagasy hanaraka io fotoam-pivavahana io satria ny tanorantsika dia nantsoina mba hanana anjara ka dia handray anjara amin’ny alalan’ny hiram-pifaliana izy ireo.

Koa dia manome fotoana antsika ary hanaraka ny fampitàna izay hanomboka amin’ny 10 ora maraina.

Dia mirary ny fahasoavan’ny Tompo ho amintsika rehetra

Ny komity

www.fkmsm.ch

 

——————

 

Chers frères et sœurs en Christ,

Vous le savez peut-être, le festival Reformaction, organisée par  la Fédération des Églises protestantes de Suisse, aura lieu bientôt à Genève.

5000 jeunes viendront célébrer la Réforme dans la ville de Calvin.

Ce dimanche 5 novembre, un grand culte cantonal télévisé aura lieu à la Cathédrale St Pierre pour clore en beauté ces festivités et le Jubilé de la Réforme.

Pour que tout le monde puisse vivre cette célébration, et attendu que la cathédrale ainsi que les temples du centre-ville seront remplis de milliers de jeunes, l’EPG a mis sur pied un système de retransmission en direct dans plusieurs temples.

Vous pourrez suivre la célébration depuis les endroits suivants:

Salle de paroisse de Genthod, temple du Lignon, centre paroissial de Bernex-Confignon, Espace St Luc, temple de Plan les Ouates, temple de Carouge et temple de Chêne.

Le culte sera retransmis en direct à la RTS et en offre Eurovision.

Et bien sûr, il sera également possible de suivre les principales manifestations du festival sur: https://reformaction.churchonline.org

Nous vous invitons particulièrement à vivre ce culte avec nos jeunes malgaches qui auront le privilège de louer avec les autres jeunes à la Cathédrale. Ils nous conduiront avec un joyeux chant de louange.

La retransmission commencera à 10h

Nous nous réjouissons de vivre ensemble ce moment avec vous!

Que Dieu vous bénisse

Le comité

www.fkmsm.ch

, , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao

Newsletter #7, 2017

31 Oct , 2017  

Bonjour à toutes et à tous,
Nous vous envoyons notre « newsletter » de juillet à septembre 2017.
N’hésitez pas à nous envoyer vos infos, photos à seraweb[@]fkmsm.ch.
Nous nous ferons un plaisir de les relayer.
Meilleures salutations

Salama tompoko,
Alefanay ny aminao ny vaovao farany t@ volana Jolay – Septambra 2017.
Aza misalasala mizara ny vaovao sy ny sary ary mandefa @ seraweb[@]fkmsm.ch
Mirary soa anao sy ny ankohonanao

Communauté œcuménique chrétienne malgache en Suisse et aux environs
Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina

, , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao

Fahasoavana | Bénédictions

10 Oct , 2017  

Baptême

bapteme.gif

 

Arahabaina nahazo fahasoavana 

Félicitations pour le baptême de :

Zia

Evana

Sandratra

« Ny ao, an-danitra mifaly,… Ary any ny anjely. Miramirana avokoa. »