fkmsm,nouvelles | vaovao,valihan'i jehovah

17|02|08 – 60ème anniversaire | COE [Genève, CH]

19 Fév , 2008  

StPierre

VJ : Fanasana

Faha-60 taonan’ny

Filankevitra

Ekiomenikan’ny

Fiangonana

 

Le Conseil œcuménique des Églises (COE) a fêté les 60 ans de sa création lors d’une célébration dans la cathédrale Saint-Pierre de Genève avec la présence de nombreux représentants et délégués des Églises. Dans son homélie, le patriarche œcuménique Bartholomée Ier de Constantinople a retracé l’histoire du COE – ses joies et ses difficultés – à la lumière de l’exhortation de Paul aux Corinthiens face à leurs divisions.

Les langues du monde entier se mêlent sous les voutes de la cathédrale Saint-Pierre, les costumes ecclésiastiques de toutes les formes et toutes les couleurs se croisent. Les prières en allemand, anglais, espagnol, français, font écho aux lectures bibliques en Swahili, Indonésien. Tout cela est porté par les accents ensoleillés de la chorale malgache Valihan’i Jehovah répondant aux cantiques des traditions orthodoxes ou allemandes…

.

TSETSATSETRA

Tapaka tamin’ny fivoriana faha-9 n’ny « Conseil Œcuménique des Eglises » natao tany Porto Alegre tamin’ny taona 2006 fa hisy « Rassemblement œcuménique Internationale pour la Paix » ROIP ny adika amin’ny teny malagasy hoe Fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana izay ho tontosaina ny 4 ka hatramin’ny 11 Mey 2011. Ary manan tarigetra hoe « Voninahitra ho an’Andriamanitra sy fiadanana ety an-tany »
Ny toerana hanantanteraha io fihaonambe io dia any Kingston – Jamaika.

More…

, , , , , , , , , , ,

culte | fivavahana,divers | samihafa,fkmsm,nouvelles | vaovao

03|02|08 – Fanavaozana komity [Genève, CH]

19 Fév , 2008  

FKMSM

 

Culte

Genève.

Hisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana Malagasy [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina, FKMSM] , ny Alahady 3 febroary 2008 , amin’ny 3 ora hariva ao amin’ny fiangonana protestanta Servette, [avenue Wendt 55, Genève].

– Marihina fa amin’io fotoana io no hanavaozana ny komitin’ny fiangonantsika ka tongava maro ary mangataka antsika sahady hitondra am-bavaka izany fotoana izany.

 

03 febroary 2008
@ 3 ora

Paroisse de la Servette
Avenue Wendt 55
Genève

Renseignements
mail: comite@fkmsm.ch
web: www.fkmsm.ch

, , , , , , , , , , , , , , , , ,

divers | samihafa,fkmsm,nouvelles | vaovao

Fanambarana t@ Taona 2002

15 Fév , 2002  


“Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao any Madagasikara, ny FKMSM dia:

 

  • Tsy miandàny na amin’iza na amin’iza,
  • Mitaona ny tompon’andraikitra tsirairay avy ho amin’ny fifanakalozan-kevitra (dialogue) sy ny fifampiraharahana (négociation) mba hivoahan’ny firenena amin’izao zava-misy ankehitriny izao,
  • Manohana sy manentana ny rehetra hiara-mivavaka,

  • Vonona handray anjara amin’izay mety ho fanampiana ara-tsoasialy ny vahoaka Malagasy araky ny fepetra mifehy ny Fiangonana.”

, , , , , , , , , , , , , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao,valihan'i jehovah

Vaovao Janoary 2002

1 Jan , 2002  

1) Miarahaba anao mpitsidika, tratran’ny izao taona vaovao izay, ary mirary anao ny fitahiana sy ny fiarovan’ny Tompo lalandava eo amin’ny fiainanao, ny andraikitra izay sahaninao, ny fianaranao raha mpianatra ianao. Maniry koa ny fifaliana sy ny fiadanan’ny Tompo ho aminao.

2 ) Misaotra an’Andriamanitra fa tanteraka soa-aman-tsara ny fanompoam-pivavahana tamin’ny alahady voalohany amin’ny taona 2002 izay natao tao amin’ny Paroisse d’Ecublens. Misaotra koa ireo mpanompony dia ny fianakaviana Rakotolehibe Mamy sy Seheno izay nitarika ny fotoana ary i Pasteur Arintsoa izay nampandray.

3) Ny chorale Valihan’i Jehovah dia hihira ao Prilly (Lausanne-Ouest) amin’ny alahady 20 janoary amin’ny 9h45 ary manasa antsika rehetra hanotrona azy ireo.

4) Ny fiangonana advantista dia manasa antsika hiara-mivavaka amin’ny teny malagasy ny asabotsy isaky ny fahatelon’ny volana (19 janoary ny manaraka) ao Collonges sous Salève (Frantsa).

5) Nahazo fanasana isika avy amin’ny Décennie « Vaincre la Violence » izay anaovana valan-dresaka ary arahana fanompoam-pivavahana eran’ny Suisse romande:
                            Lausanne: Salle des Terraux amin’ny talata 22 janoary , 17h – 20h
                            Genève:   Alahady 20 janoary amin’ny 14h30

6) Noho ny fiovan’ny vola ho Euros dia tsy afaka ho raisina intsony amin’ny rakitra ny vola majinika FF na DM na Lire. Ny antony dia amin’ity volana janoary ity no havadika Euros ny rakitra FF rehetra eo am-pelatanana. Tamin’iny alahady 6 janoary iny koa no nilazana ny mpiangona ny toe-bolan’ny FKMSM nandritr’iny taona 2001 iny. Tsara ho fantatra fa amin’ny fanafarana raiamanreny ara-panahy dia mbola 2’660.-CHF ary 30.49 Euros (na 200.-FF) ny vola

, , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,