détente | ala-voly,fkmsm,kermesse,nouvelles | vaovao

10|11|13 – Kermesse 2013 [Lausanne, CH]

7 Nov , 2013  

fly_4

Lalaom-pirahalahiana ho fanohanana tetikasa 2013

Alahady 10 Novambra

Programa

Mampahatsiahy antsika fianakavian’ny mpino fa ny alahady ho avy izao no hatao any Lausanne,

Salle paroissiale de Sévelin, Avenue de Tivoli 74, 1007 Lausanne,

ny lalaom-pirahalahiana izay fanaontsika isan-taona.

Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fotoana.

Ary hahitana ireo lalao samihafa toy ny :

Jeux Bibliques, Belote, Poker, Echecs, Loto ary Tombola.

Ny loka voalohany amin’ny tombola dia « tablette numérique Samsung ».

 Ento ny vady aman-janaka ary ny namana sy tapaka.

 

Fanentanana samihafa

Satria isika fiangonana no antokin’ny « récolte de fonds » hatao amin’io fotoana io ary koa ny fahatanterahan’ny fotoana dia misy fanentanana maromaro atao amintsika.

Manentana antsika hividy ny tapakilan’ny tombola. 5CHF ny vidiny.

Toy ny fanao dia isika mpiangona ihany koa no manolotra ireo lots isan-karazany amin’ny Tombola (ankoatr’ireo nomanin’ny fiangonana). Koa manainga antsika hanolotra lots samihafa.

Manentana antsika ihany koa hikarakara sakafo hamidy. Ny sakafo sy tsakitsaky karakaraintsika ihany no hamidy mandritry ny fotoana. Ary ny fiangonana no hiandraikitra ny zava-pisotro.

Parking

Ho antsika mitondra fiara, dia misy toerana telo ahafahana mametraka fiara amin’io fotoana io :

–       Garage AMAG, avenue de Provence 2, 1007 Lausanne

–       Chemin de Montelly

–       Chemin du Couchant

Retraite spirituelle 

23-24 Novambra any Prêles (Jura Bernois)

Mampahatsiahy antsika fa ny 23-24 Novambra no hatao ny retraite spirituelle araky ny efa nolazaina tamintsika fiangonana.

Manainga antsika hisoratra anarana.

30 CHF ny saran-dasy.

Mampahatsiahy ihany koa fa tsy mandoa saran-dasy ny ankizy latsakin’ny 16 taona ho fanentanana antsika raiamandreny hitondra ny zanaka amin’ny fanabeazana ara- panahy.

Hisy izany ireo activités sy fampianarana natokana hoan’ny zanatsika mandritry ny roa andro hilasiana.

Ny thème noraisina amin’io fotoana io dia ny « Fifankatiavana » araky ny voasoratra ao amin’ny Jaona 13:34-35.

Izay sy izay ihany ny vaovaom-piangonantsika.

Ho amintsika rehetra anie ny Fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy Tompo.

, , , , , , ,

culte | fivavahana,fkmsm

06|10|13 Fotoam-pivavahana / Culte [ #Genève – CH] à 15h

4 Oct , 2013  

logofkmsm

Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
Souviens-toi du jour du repos, pour le sanctifier.
Eks./Ex. 20:8

Manasa anao hanatrika ny fanompoam-pivavahana
ho tanterahina ny 6 Oktobra 2013
ao amin’ny
Temple de Servette-Vieusseux
55 Av. Wendt, CH-1203 Genève
amin’ny 3 ora tolakandro
________________

Nous vous invitons à venir célébrer le culte
du 6 Octobre 2013
au
Temple de Servette-Vieusseux
55 Av. Wendt, CH-1203 Genève
à 15 heures
________________

Hisy ny sakafo iaraha-miazara aorian’ny fotoana,
koa manentana antsika samy hivatsy izay zakan’ny tanana.

Chacun est invité à apporter à manger pour la collation de l’après-culte.
________________

Fanazavana / Pour toute information :
agenda.fkmsm.ch
comite@fkmsm.ch

, , , , , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao

@genda | Filazana manjo

1 Août , 2013  

Filazana manjo:

 

sosialy
« Miaraha ory amin’izay ory »

Amin’ny maha iray antsika ao amin’i Tompo dia mampandre antsika fa namoy ny Rainy any Madagasikara i Dorette Burky.
Mangataka vavaka ho azy sy ny Fianakaviana manontolo any Toliara.
Misaotra Tompoko.

http://sosialy.fkmsm.ch

“ Dieu est pour nous un refuge et un appui, Un secours qui ne manque jamais dans la détresse.”. Psaume 46:2

<

, , , , , , , , , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

22 Déc , 2010  

Filazana manjo:

sosialy


« Miaraha miory amin’izay miory »

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’i Tompo, noho ny fihavanana ary araka ny fampandrenesana avy amin’ny fianakaviana, dia mampandre antsika fa nodimandry ny dadan’ i Jemima.
Koa mangataka antsika ny hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

http://sosialy.fkmsm.ch

«Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny
mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no
hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.» I Petera 5 : 10

<

, , , , ,

fkmsm,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

23 Août , 2010  

Filazana manjo:

sosialy


« Miaraha miory amin’izay miory »

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’i Tompo, noho ny fihavanana ary araka ny fampandrenesana avy amin’ny fianakaviana, dia mampandre antsika fa nodimandry ny dadan’ Liria.
Koa mangataka antsika ny hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

http://sosialy.fkmsm.ch

“ Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany”. Jeremia 29: 11

<

, , , , , , , , , ,