culte | fivavahana,fkmsm,solidarité | sosialy

Fotoam-pivavahana fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra

3 Sep , 2019  

Ho fisaorana sy ho fanomezana voninahitra an’ Andriamanitra tamin’ny nanomezany antsika teto amin’izao tany fandalovana izao ny mpanompony Andriamasy Colette.
Dia hisy ny fotoana natokana ho fiombonam- bavaka sy hanaovamtsika veloma farany azy ny :

Alakamisy 5 Septambra amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny
Temple de Ferney-Voltaire
13, rue de Gex
01210 Ferney-Voltaire

Misaotra tompoko dia mangataka antsika hitondra am- bavaka hatrany ny fianakaviana.

Announcements,fkmsm

@GENDA | FILAZANA MANJO

30 Août , 2019  

Miarahaba antsika rehetra, amin’ny maha iray antsika ao amin’ny Tompo dia amin’ny alahelo lehibe sy amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana antsika fa nodimandry tamin’ny Alarobia alina i Madame Colette Andriamasy .

Koa mangataka ny hitondrantsika am- bavaka ny fianakaviana hiatrehana izao fotoana mangidy izao.

Ny famangiana ny fianakaviana dia ho tanterahana ao amin’ny :

Funérarium de Gex demain ny Zoma 30 Aogostra 2019 amin’ny 5 ora hariva

Adresse :
831 avenue Francis Blanchard
01170 GEX.
En face de Carrefour Market.
Parking : éventuellement dans le parking de Carrefour Market.

,

fkmsm,nouvelles | vaovao,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

11 Juil , 2018  

«Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha-mitomany amin’izay mitomany” (Romana 12: 15)»

Miarahaba antsika rehetra, amin’ny maha iray antsika ao amin’ny Tompo dia amin’alahelo lehibe no ilazana aminartsika fa nodimandry ny zandrin’i Liva faralahy.

Vaovao mampalahelo faha-roa, nodimandry koa ny maman’i Nivo.

Efa lasa any Madagasikara izy ireo dia mangataka antsika hitondra antsika hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

, , , , , , , ,

fkmsm,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

30 Avr , 2018  

« Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » I Jaona 5 : 4

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesna antsika fa nantsoin’ny Ray hody any Aminy, ny mpanompony :

Dr. Henri Rasata RANAIVOSON

Ny Alatsinainy 23 Aprily 2018.

Koa mangataka antsika ny hitondra am-bavaka ny fianakaviany ahazoana fiononana feno sy fampaherazana avy @ Jesosy Tompontsika.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

fkmsm,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

8 Déc , 2017  

« Miaraha miory amin’izay miory »

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’i Tompo dia amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika fa nodimandry tamin’ny Alatsinainy 4 Desambra  ny vadin’i Mme Martine.

Hisy ny fotoana hahafahantsika manao ny famangiana aty REIGNIER aminy alahady ho avy izao amin’ny 2 ora sy sasany ka hatraminy 7 ora hariva. (527 Rue de La Gare 74930 Reignier ).
Dia mbola afaka mampahery sy mamangy ny fianakaviana koa ny Alatsinainy 11 Desambra amin’ny 1 ora tolak’andro  any aminy Chapelle du Cimetière St George.
Ary ny lamesa fanaovam-beloma farany dia  amin’ny 1 ora sy sasany.
Adresse :
Cimetière de Saint-Georges
Misaotra indrindra Tompoko
Tine sy ny fianakaviana
—-

Bonjour à tous!

Nous vous transmettons ce faire-part du décès du Gaetano, mari de Mme Martine.
Son incinération aura lieu le lundi 11/12/17 après une messe à La Chapelle Au Cimetières de Saint-Georges, Avenue du Cimetière 1
1213 Petit-Lancy a 13h30. Nous pourrons lui rendre hommage à partir de 13h =>13h20.
Pour ceux qui veulent témoigner leurs condoléances, la famille de Tine pourra vous recevoir le dimanche 10/12/17 chez nous Au 527 Rue de La Gare 74930 Reignier.
Que d’une manière ou d’une autre, notre prière l’accompagne dans ce passage vers le Père, unis dans une espérance profondément fraternelle.
MERCI beaucoup.
Famille de Mme Martine

,