fkmsm,nouvelles | vaovao

@genda | Filazana manjo

27 Juil , 2013  

Filazana manjo:

necrologie260713
« Miaraha ory amin’izay ory »

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’i Tompo, noho ny fihavanana ary araka ny fampandrenesana avy amin’ny fianakaviana, dia mampandre antsika fa nodimandry i Donnée RABE.
Koa mangataka antsika ny hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

http://sosialy.fkmsm.ch

“ Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”. Sal 23:1

 

, , , , , , , , , , , , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao

« Vivre ensemble » | Célébration œcuménique malgache à la Cathédrale de Lausanne

29 Mai , 2013  


 

Les communautés chrétiennes malgaches dans la Canton de Vaud [Suisse]  vous invitent ce dimanche 2 juin 2013 à la Cathédrale de Lausanne pour célébrer la Parole.

Cette célébration a été préparée conjointement par la Communauté des Eglises Chrétiennes dans la Canton de Vaud (CECCV), la Communauté œcuménique chrétienne malgache (FKMSM), l’Église réformée malgache (FJKM-Gland), l’Église luthérienne malgache (FLM-Suisse) et l’aumônerie catholique malgache.

Dimanche 2 juin 2013, 18h
Cathédrale de Lausanne
Place de la Cathédrale 1, 1005 Lausanne

Informations supplémentaires: comite[at]fkmsm.ch

, , , , , , , , ,

bénédiction | fahasoavana,divers | samihafa,fkmsm,nouvelles | vaovao

Tsangambato FKMSM 25ème | Tonga ny Mazava III

24 Sep , 2010  

Fiangonana Krisitiana Malagasy eto Soisy sy ny manodidina

dia manolotra anareo ny boky

Ny Fiangonana Kristiana :
Tonga ny Mazava III

N

oho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia feno 25 taona ny niorenan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Suisse sy ny manodidina. Ny FKMSM, araky ny fanafohizan-teny ahafantaran’ny maro azy, dia nipoitra avy tamin’ny fanirian’ireo Malagasy nonina tao Suisse fahizany – notarihin’ireo Komity voalohany dia i Pastora Rabemanantsoa Noël mivady, Itompokolahy Robel Blaise, Raharison Aimé, Jaona Emile, Andriamasy Léon, Robel Olga ary Eggiman Angeline – hiaraha-mivory, hidera an’Andriamanitra amin’izay fomba efa mahazatra azy, amin’ny vavaka sy hira amin’ny teny malagasy.

Hatry ny niorenan’ny FKMSM tamin’ny taona 1985 ka mandrak’androany dia miverina matetika ny fanontaniana hoe: “Moa tena Fiangonana marina ve ny FKMSM?”. Ho an’ireo mpiangona ao moa dia ENY mazava ny valin-teny satria ny fanarahana an’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny fanajana sy fampianarana madio ny Soratra Masina ary ny fizaràna marina ny Sakramenta, no antony ivoriany ao. Ho an’ny olona sasany kosa, Kristiana tsotra na mpitondra fivavahana, dia fikambanana (“association”) ny FKMSM fa tsy azo antsoina hoe Fiangonana satria tsy miankina amin’ireo Fiangonana samihafa misy any Madagasikara, toy ny EKAR, FJKM, FLM, Advantista, ary Anglikana.

Mitondra valiny momba io fanontaniana io Pastora RABEMANANTSOA Noël amin’ity boky ity, amin’ny alàlan’ny famelabelarana ny atao hoe “Fiangonana Kristiana”, arak’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina.

Isaorana Andriamanitra naniraka ny mpanompony hanao izany asa masina izany, ary mankasitraka an’i Pastora RABEMANANTSOA Noël nanaiky nampiasa ny talenta nomen’ny Tompo azy ho amin’izany.

Koa am-pifaliana no anoloran’ny FKMSM ity boky ity ho isan’ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-25 taona niorenany. Tsy ho an’ny mpiangona ao amin’ny FKMSM irery ihany anefa ny boky, fa ho an’ireo Kristiana tsy an-kavanavaka izay mijoro ho vavolombelon’ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanorenana Fiangonana amin’ny toerana izay nametrahan’ny Tompo azy.

Hanampy azy ireo hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny fitoriana ny Soratra Masina anie ity boky ity, amin’ny firaisana marina amin’i Kristy Jesosy, araky ny Teny fanevan’ny faha-25 taonan’ny FKMSM manao hoe: “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy”, Jaona 15: 5b.

Geneva, faha 2 Mey 2010.

RANDRIAMIHARISOA Alex

Filohan’ny FKMSM

TEHINDRAZANARIVELO Liva

Komity FKMSM, mpandrindra ny fanontana ny boky

, , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

fkmsm,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

23 Déc , 2009  

sosialy

Noho ny fitiavan’Andriamanitra dia nantsoiny hody any Aminy ny Talata 22 desambra 2009 ny zanany,


Dr. RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo

Mpitandrina

FJKM Ambavahadimitafo

Mpiandraikitra Foibe FJKM

Mpampianatra ao amin’ny Faculté de Théologie

Hoy :

Ny vadiny :

RANAIVOSON Faramalala

Ny zanany :
RASOAMANAMBELO Mialy

Ny rafozany :

RANAIVOSON Eugène

Ny iray tampo aminy :

RAKOTOHARINTSIFA Hery sy Holy ary Aina
RAKOTOHARINTSIFA Ny Andry sy Dany Malala

RAKOTOHARINTSIFA Oely Zo sy Murielle ary Rianala

Ny iray tampo amin’ny vadiny :

Terak’Itpkl RATSIMBA Victor

Vady navelan’Itpkl ANDRIANISA Charmant sy ny zanaka aman-jafiny

Vady navelan’Itpkl ANDRIAMANANTENA Fidèle sy ny zanany

RAHAJAVOLOLONA Landy sy ny zanaka aman-jafiny
RAFALIMANANA Jacky sy Sahondra ary ny zanany

ANDRIAMARINDAZA Herizo sy Felana ary ny zanany

ANDRIANANTENAINA Zoherilaza sy Sitraka

Ny iray tampo amin’ny rainy :

Terak’Itpkv RAMAMIHARISOA Félicie mianadahy avy

Terak’Itpkl RAZAFINTSIFA Solofo Jean mianadahy avy

Ny vady navelan’Itpkl RAZAFINTSIFA Andriantsalama Lala sy ny zanaka aman-jafiny

Ny iray tampo amin’ny reniny :
RAHARINOELINA Paule Angèle sy ny zanaka aman-jafiny

ANDRIAMANGA Raoely Don Christian sy Sahondra ary ny zanaka aman-jafiny

RAFARALAHY Lalao sy Olivia Christiane

RAMBININTSOA Patrick sy Emma Christine ary ny zanany

Ny havany :

Terak’Itpkl RAZAFINJATOVO Paul sy Itpkv RAZANAMANANA

Terak’Itpkl RAKOTOJOELIMARIA sy Itpkv RASOARIZELINA Elisabeth

Terak’Itpkl RAKOTOMAVO Emmanuel

Terak’Itpkl RAINIBENORO sy Itpkv RAMARIZANY

Terak’Itpkl RASANDY

Pasitera RAKOTOVAO Andrianjaka Jean sy Anne-Marie ary ny zanaka aman-jafiny

Ny havany avy amin’ny vadiny :

RASOLOFOSON Lilian mianadahy avy

Terak’Itpkl Dr RANAIVOSON

Ny fianakaviana manontolo

Ny Fitandremana FJKM Ambavahadimitafo

Ny Filoha sy ny birao ary ny Mpiandraikitra Foibe FJKM

Ny Komitin’ny Fampianarana Teolojika

Ny Doyen sy ny Filankevitry ny Mpampianatra, ny Mpianatra ary ny fianakaviam-ben’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga

Ny Mpitandrina mivady sy ny FJKM Ambohitantely ary ny sampana rehetra ao aminy

Ny FJKM Mandroseza Miray, ny FKMSM Suisse, ny FJKM Fihaonana Omega, ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny FJKM
Ambohipiainana Ambohitrombihavana, ny mpiara-miasa ao amin’ny Eglise Protestante Française.
Ny Doyen, ny mpampianatra ary ny mpianatra eny amin’ny Département Sociologie ESDEGS Ankatso

Ny fikambanan’ny mpampianatra teny rosianina

Ny fokontany Ambavahadimitafo, ny fokontany Antanetibe Ikianja

Ny nofony dia hiala ao amin’ny Akany Daniel Ralibera Ambavahadimitafo ny Alakamisy 24 Desambra 2009 amin’ny 12 ora atoandro ary ho entina hatao veloma farany ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo alohan’ny hanaterana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Antenimbe Ambohimangakely.

« Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra ».

Salamo 103-2

, , , , , , , , , , , ,

culte | fivavahana,solidarité | sosialy

@genda | Fitondrana am-bavaka

12 Nov , 2009  

Fitondrana am-bavaka ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo izay mpitandrina tato amin’ny FKMSM taona vitsy lasa izay.

Ny FJKM Faravohitra, FJKM Avaratr’Andohalo, FJKM Ambohitantely ary ny FJKM Ambavahadimitafo no hiombom-bavaka eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Alahady 01 novambra 2009

Mitohy hatrany ny fanompoam-pivavahana fanao isaky ny Alarobia izay hitondrantsika am-bavaka ny ray aman-dreny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo.

Ho antsika Fiangonana iray manontolo kosa dia nanapa-kevitra ny Fiangonana efatra tafo; dia ny FJKM Faravohitra, FJKM Avaratr’Andohalo, FJKM Ambohitantely ary ny FJKM Ambavahadimitafo; fa hisy fanompoam-pivavahana manokana izay hotanterahina eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo amin’ny Alahady 1 novambra 2009 amin’ny 15h30.

Publié le 30/10/2009 |

notsongaina tao @ http://www.fjkm-ambavahadimitafo.info/

, , , , , , , , , , , , , , , , , ,