culte | fivavahana,fkmsm,nouvelles | vaovao

21|05|09 – STN – CULTE [Neutchâtel, CH]

19 Mai , 2009  

FKMSM – NEUCHÂTEL:

securedownload.png

FANASANA

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika !

Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany, ary nantsoiko avy tany antsisiny, Ka nilazako hoe : Mpanompoko hianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako….Isaia 41 :9

Tamin’ny taona 1985 no niforonan’ny FKMSM ( Fiangonana kristianina malagasy eto Suisse sy ny manodidina) , ny tanjony dia hampiray ny mpino rehetra araka izay voalazan’ny fanevan’ny iraisam-pinoana hoe : ny Batisa dia iray, ny Finoana dia iray, ny Fiangonana iray satria mino Tompo iray
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra lehibe ary, dia hihitatra aty Neuchatel izany fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana izany,
Mba ahafahan-tsika malagasy mpiray tanindrazana miara-mivavaka sy midera an’ Andriamanitra miaraka, amin’ny tenin-drazantsika.

Koa dia manasa anareo , ho tonga maro, hanafana ny fotoam-panokafana amin’ny 24 MAI 2009, ho avy izao, amin’ny 3 ora tolankandro, ao amin’ny Eglise La maladiere, antsinanan’ny hopitaly Pourtales.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ho amintsika olony kosa ny fahasoavany !

NB : hisy ny fizarana ny programme eo am-baravarana amin’io andro io, ary koa , aorian’ny fotoam-pivavahana dia ho hisy fiarahana misotro ranom-boasary mitam-pihavanana…mandram-pihaona tompoko !

Fifandraisana : Atoa BELAZAINA Fleuri Abel
   Natel :078 640 26 06
   Email : abelazaina@yahoo.fr

 
Atoa RASOLOFONIAINA Rado Etienne
 Natel :079 599 88 48

, , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

divers | samihafa,fkmsm,nouvelles | vaovao,solidarité | sosialy

Akanjo mafana [Sosialy]

12 Mar , 2008  

Vaomiera

Sosialy.

sosialy

Manao antso avo eto ny vaomiera sosialy ao amin’ny FKMSM.

Mangataka antsika hifanome tànana, hanampy ireo sahirana, hanarina ireo lavo ary hitsinjo ireo mahantra.

Afaka mifampizara adiresy sy toro-hevitra isika amin’ny tanàna misy antsika:

Genève, Lausanne, Fribourg, Berne, Neuchâtel, France voisine (département de l’Ain ou Haute-Savoie)

momba ny fitadiavana asa, trano, sakafo sns…

More…

, , , , , , , , , , , , , , , , ,