culte | fivavahana,fkmsm

25|12|16 KRISMASY – CULTE DE NOËL [Genève, CH]

19 Déc , 2016  

« Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.», Lioka 2 : 11

faly manasa anao hiara-mankalaza ny fetin’ny Krismasy

ny Alahady 25 desambra 2016

ao amin’ny Fiangonana Servette, Avenue Wendt 55, 1203 Genève

Toy izao ny fandaharam-potoana:

-12 ora sy sasany atoandro : repas canadien anasana ny rehetra hatao ao amin’ny salle paroissiale ao ambany rihan’ny fiangonana

– 3 ora tolakandro : fotoam-pivavahana ao am-piangonana

Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hitohy fety ahafahantsika rehetra mandray anjara sy hanolorana fanomezana ireo zanantsika.

Iangaviana ny isam-pianakaviana mba hitondra « bûche de Noël » hifampizarana.

Dia manantena ny hihaona aminao ary manao veloma anao amin’ny Anaran’i Tompo

Fifandraisana: comite@fkmsm.ch

___________________________________________

« C’est qu’aujourd’hui, dans la ville de David, il vous est né un Sauveur, qui est le Christ, le Seigneur.» Luc 2, 11

La FKMSM (Communauté Chrétienne Malgache en Suisse et aux Environs)

vous invite à célébrer ensemble Noël :

ce dimanche 25 décembre 2016

au Temple protestant de la Servette, Avenue Wendt 55, 1203 Genève.

Le programme se déroulera comme suit :

Dès 12h30 : repas canadien où tout le monde est invité dans la salle paroissiale (au rez-de-chaussée)

– A 15h : célébration dans le Temple

Après la célébration, il y aura le traditionnel moment de fête et de partage pendant lequel les enfants recevront des cadeaux.

Chaque famille apportera un « bûche de noël » dont nous nous partagerons.

En espérant vous rencontrer, nous vous transmettons nos salutations en Christ.

Contact: comite@fkmsm.ch

, , , ,

enfants | ankizy,fkmsm

Fotoam-pivavahana / Célébration, 05 juin 2016, 15:00, Servette (GE)

1 Juin , 2016  

Trient 2016 vidéo F_Seraweb/piano JamesBlues

« Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina. » Salamo 133

« Voici, oh! qu’il est agréable, qu’il est doux Pour des frères de demeurer ensemble! » Psaume 133

Manasa antsika hanotrona ny zanantsika @ fotoam-pivavahana izay nokarakarain’ny sampana « Sekoly Alahady»  [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina, FKMSM] , ny Alahady 5 Jona 2016, amin’ny 3 ora hariva ao amin’ny fiangonana protestanta Servette, [avenue Wendt 55, Genève].

Amin’io fotoana io koa no itondrantsika am-bavaka ny asan’ireo mpanabe sy mpampianatra ary mpikolokolo aram-panahy ireo zanantsika.

Koa dia maniry ny hihaona aminao am-pifaliana.

Ny fahasoavan’Andriamanitra anie ho aminao sy ny ankohonanao.


Venez nombreux entourer et découvrir ce que les jeunes du culte de l’enfance ont préparé, ce dimanche 05 juin 2016 @ 15h à la paroisse de la Servette.

Pendant ce culte nous présenterons  l’équipe de monitrices qui se sont engagés et prier ensemble pour leurs ministères.

Nous espérons vous revoir à cette occasion.

Que Dieu vous bénisse ainsi que votre famille!

Contact: comite@fkmsm.ch
web: ankizy.fkmsm.ch

, , , , , , , , , , , , , , , ,

culte | fivavahana,fkmsm

03|05|15 Fotoam-pivavahana / Célébration [ #Servette – CH] à 15h

29 Avr , 2015  

Fiangonana FKMSM

Ampifaliana no anasana anao hiara-hidera an’Andriamanitra ny

Alahady 03 Mai 2015 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro,
ao amin’ny Fiangonana protestanta Servette-Vieusseux,
Avenue Wendt 55, Genève 1203

Manasa antsika ny Tompo mba hahita ny voninahiny sy hanambara ny lazany
Manantena ny hihaona aminao am-pifaliana.

Serasera: comite@fkmsm.ch

__________________________

Eglise FKMSM

C’est avec joie que nous vous invitons à célébrer ensemble ce

Dimanche 03 Mai Mars 2015 à 14h,
à la Paroisse Protestante Servette-Vieusseux,
Avenue Wendt 55,
Genève 1203

Le Seigneur nous invite à être témoin de sa transfiguration, contempler sa gloire et dire ses louanges.
Nous serons heureux de vous revoir .

Information: comite@fkmsm.ch

, , , ,

culte | fivavahana,fkmsm

17|11|13 Culte [ #Fribourg, CH] à 15h

14 Nov , 2013  

logofkmsm

Fanasana

Hatao ny Alahady 17 Novambra 2013 amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Eglise des Capucins, Rue de Morat 28, 1700 Fribourg ny Fotoam-pivavahana karakarain’ny FKMSM (Fiangonana Krsitiana Malagasy eto Soisy sy ny Manodidina).

Koa dia manasa antsika rehetra ho tonga hiara hidera an’Andriamanitra amin’io andro io.
Ireo Pretra Malagasy 5 mirahalahy monina eto Fribourg no hanatontosa ny Lamesa.

Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy ny fotoana hiarahana miala hetaheta sy hifampizarana vaovao.
Koa dia maniry ny hihaona aminao ary manao veloma anao amin’ny anaran’i Tompo.

 

________________

Invitation

Le culte du 3ème Dimanche du mois de la FKMSM (Communauté Chrétienne Malgache en Suisse et aux Environs) sera célébré le dimanche 17 Novembre 2013 à 15 heures au Couvent des Capucins, rue de Morat 28, 1700 Fribourg.

Aussi, nous sommes tous ensemble invités, ce jour, à louer et à glorifier Dieu.
Le culte sera co-célébré par 5 Prêtres Malgaches venant de Fribourg.

A l’issue de la cérémonie, nous sommes cordialement invités à une collation qui nous donnera l’occasion d’échanger  de nos nouvelles.

Nous comptons sur votre présence à ce culte.

Salutations cordiales dans le Seigneur.
________________

Fanazavana / Pour toute information :
agenda.fkmsm.ch
comite@fkmsm.ch

, , , , , , , , , ,

fkmsm,nouvelles | vaovao

@genda | Filazana manjo

1 Août , 2013  

Filazana manjo:

 

sosialy
« Miaraha ory amin’izay ory »

Amin’ny maha iray antsika ao amin’i Tompo dia mampandre antsika fa namoy ny Rainy any Madagasikara i Dorette Burky.
Mangataka vavaka ho azy sy ny Fianakaviana manontolo any Toliara.
Misaotra Tompoko.

http://sosialy.fkmsm.ch

“ Dieu est pour nous un refuge et un appui, Un secours qui ne manque jamais dans la détresse.”. Psaume 46:2

<

, , , , , , , , , ,