fkmsm,nouvelles | vaovao

@genda | Filazana manjo

27 Juil , 2013  

Filazana manjo:

necrologie260713
« Miaraha ory amin’izay ory »

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’i Tompo, noho ny fihavanana ary araka ny fampandrenesana avy amin’ny fianakaviana, dia mampandre antsika fa nodimandry i Donnée RABE.
Koa mangataka antsika ny hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

http://sosialy.fkmsm.ch

“ Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”. Sal 23:1

 

, , , , , , , , , , , , ,

concert | fampisehoana,enfants | ankizy,fkmsm,nouvelles | vaovao,stl | Lausanne,valihan'i jehovah

15|12|12 – Concert de Noël | Infos pratiques

13 Déc , 2012  

Infos pratiques: 

Vous êtes chaleureusement invité au traditionnel Concert de Noël de la FKMSM (Communauté Chrétienne Malgache en Suisse et aux Environs) qui aura lieu le :

samedi 15 décembre 2012 à 19 heures

à la paroisse de Servette, Av. Wendt 55, 1203 Genève

N’hésitez pas à amener vos ami(e)s et vos connaissances et en parler autour de vous.
A l’issue du concert, une collation sera offerte , ce qui sera aussi l’occasion de nous mieux nous connaître.

Entrée gratuite et chapeau à la sortie. Cliquer ci-après pour voir le flyer.
Avec nos salutations fraternelles en Christ.
Le comité

(Plus d’info: http://g.co/maps/kqfzp)

Comment venir au concert?

Bus 11 
Arrêt: Wendt

Bus 3-11-14-18

Arrêt: Servette

Renseignements

Parking Migros Servette (entrée rue Liotard)

Venez nombreux.

 

, , , , , , , , , , , , , ,

bénédiction | fahasoavana,divers | samihafa,fkmsm,nouvelles | vaovao

Tsangambato FKMSM 25ème | Tonga ny Mazava III

24 Sep , 2010  

Fiangonana Krisitiana Malagasy eto Soisy sy ny manodidina

dia manolotra anareo ny boky

Ny Fiangonana Kristiana :
Tonga ny Mazava III

N

oho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia feno 25 taona ny niorenan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Suisse sy ny manodidina. Ny FKMSM, araky ny fanafohizan-teny ahafantaran’ny maro azy, dia nipoitra avy tamin’ny fanirian’ireo Malagasy nonina tao Suisse fahizany – notarihin’ireo Komity voalohany dia i Pastora Rabemanantsoa Noël mivady, Itompokolahy Robel Blaise, Raharison Aimé, Jaona Emile, Andriamasy Léon, Robel Olga ary Eggiman Angeline – hiaraha-mivory, hidera an’Andriamanitra amin’izay fomba efa mahazatra azy, amin’ny vavaka sy hira amin’ny teny malagasy.

Hatry ny niorenan’ny FKMSM tamin’ny taona 1985 ka mandrak’androany dia miverina matetika ny fanontaniana hoe: “Moa tena Fiangonana marina ve ny FKMSM?”. Ho an’ireo mpiangona ao moa dia ENY mazava ny valin-teny satria ny fanarahana an’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny fanajana sy fampianarana madio ny Soratra Masina ary ny fizaràna marina ny Sakramenta, no antony ivoriany ao. Ho an’ny olona sasany kosa, Kristiana tsotra na mpitondra fivavahana, dia fikambanana (“association”) ny FKMSM fa tsy azo antsoina hoe Fiangonana satria tsy miankina amin’ireo Fiangonana samihafa misy any Madagasikara, toy ny EKAR, FJKM, FLM, Advantista, ary Anglikana.

Mitondra valiny momba io fanontaniana io Pastora RABEMANANTSOA Noël amin’ity boky ity, amin’ny alàlan’ny famelabelarana ny atao hoe “Fiangonana Kristiana”, arak’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina.

Isaorana Andriamanitra naniraka ny mpanompony hanao izany asa masina izany, ary mankasitraka an’i Pastora RABEMANANTSOA Noël nanaiky nampiasa ny talenta nomen’ny Tompo azy ho amin’izany.

Koa am-pifaliana no anoloran’ny FKMSM ity boky ity ho isan’ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-25 taona niorenany. Tsy ho an’ny mpiangona ao amin’ny FKMSM irery ihany anefa ny boky, fa ho an’ireo Kristiana tsy an-kavanavaka izay mijoro ho vavolombelon’ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanorenana Fiangonana amin’ny toerana izay nametrahan’ny Tompo azy.

Hanampy azy ireo hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny fitoriana ny Soratra Masina anie ity boky ity, amin’ny firaisana marina amin’i Kristy Jesosy, araky ny Teny fanevan’ny faha-25 taonan’ny FKMSM manao hoe: “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy”, Jaona 15: 5b.

Geneva, faha 2 Mey 2010.

RANDRIAMIHARISOA Alex

Filohan’ny FKMSM

TEHINDRAZANARIVELO Liva

Komity FKMSM, mpandrindra ny fanontana ny boky

, , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

détente | ala-voly,fkmsm,nouvelles | vaovao

22 mai au 24 mai 2010 – CAMP 2010 [LA BESSONNAZ,CH]

19 Mai , 2010  

CAMP 2010

Informations:

22|05|09 au 24|05|10 – CAMP 2010 [La Bessonnaz, CH]

La Bessonnaz

Située à 1100 m. d’altitude sur les flancs du Suchet (Jura), la Bessonnaz offre un lieu de séjour idéal, à l’écart du bruit et du stress quotidien.

Entouré de forêts, de pâturages et proposant une vue splendide sur le plateau suisse et les Alpes, ce site convient particulièrement bien pour toutes sortes d’activités (randonnées en forêt, VTT, terrain de foot).

Aménagée pour accueillir jusqu’à 100 personnes, la maison compte également une salle de cours, deux salons et une vaste cuisine.

Thème du camp:
«Des tables de la loi à la Bible d’aujourd?hui»

, , , ,