Warning: Use of undefined constant REQUEST_URI - assumed 'REQUEST_URI' (this will throw an Error in a future version of PHP) in /home/clients/b9e02524777c3b1ef01fac86edb7954f/web/agenda/wp-content/themes/fullby/functions.php on line 73
@genda | FKMSM

fkmsm

Vaovao Jona 2003

30 Nov , -0001  

1) Noho ny filaharana fanoherana ny G8 teto Genève,  dia voatery nanondidina 60 Km Atoa Claude ROBEL vao tafiditra teto Suisse. Na dia tara aza anefa ny fanombohan’ny fampianarana famakiana Baiboly dia tanteraka ihany izany. Izay tsy afaka nanatrika io fampianarana io dia afaka maka ny diaporama eto (tsindrio ny bokotra ankavanana). Mbola hisy tohiny ity fampianarana ity (exercices pratiques) ka any amin’ny septambra any no noeverina hanaovana an’izany. 

2) Misaotra an’i Andriamatoa Randrianarijaona Ambinintsoa tamin’ ny ny fitarihana ny fotoam-pivavahana sy ny hafatra izay nozarainy tamintsika; izy rahateo moa no tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny fotoam-pivavahana. I Pastera Arintsoa Zafindriaka dia tsy afaka nanatrika ny fotoana noho ny tazo izay nitazona azy teo am-pandriana (misy gripa mahery miserana eto Suisse amin’izao fotoana izao ka maro no tratrany).

3) Ny rakitra farany tamin’ny 4 may tany Lausanne/Ecublens dia nahatratra 109.65 CHF ary 2.25 Euros.

4) Natao toa aorianan’ny filazan-draharaha ny fiarahabana sy firariantsoa an’i Toky sy Felena Rabemanantsoa izay nahazo zazavavy: Irikanto .

==============================================================================================

5) Misaotra an’i Atoa Toky Rabemanantsoa izay nanaiky nitarika sy nizara ny tenin’Andriamanitra tamin’ ny alahadin’ny Pentekosta. Ny tompon’andraikitra moa dia Rtoa Lala Randriamiharisoa. Ny mpampandray dia i Pastora Arintsoa Zafindriaka. 

6) Ny rakitra farany tamin’ny 1 jona tany Genève dia 118.10 CHF ary 0.50 Euro.

7) Tao aorian’ny fotoam-pivavahana dia nampisehona ny mpiangona ny peta-drindrina izay handravahana ny stand-ny FKMSM amin’ny 21 jona any Meyrin/Genève miaraka amin’ireo fikambanana malagasy hafa manerana ny Suisse. Mbola nisy fangalana ny sarin’ny mpiangona sy ny komity koa tamin’io andro io.

====================================================================================

8) Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana ekiomenika ho fankalazanan ny fetim-pirenena malagasy izay natao tao amin’ny Centre paroissial oecuménique de Meyrin ny asabotsy 2 jona 2003 ary nandraisan’ny faingonana Advantista, FJKM, FKMSM ary Katolika anjara. Ny nitarika ny fotoana dia ny pastora Louis Norbert Rakotonanahary ary ny nitondra ny sakafo-panahy dia ny pastora Samoely Lala James: « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny », (Sal. 33:12a). Maro ny olona avy any Frantsa manodidina sy lavidavitra no tonga nanatrika ny fanompoam-pivavahana na dia tamin’ny folo ora maraina aza ny fanombohana. Ny antoko mpihira tamin’ireo fiangonana efatra dia niara-niredona teo am-piandohana ilay:  « Faly aho ».

9) Ny fiangonana manaraka dia amin’ny 6 jolay ao amin’ny Paroisse protestante de Plan-les-Ouates, Genève. Ny mahatonga io fiovana io dia satria mihidy ny Paroisse de Servette mandritry ny vola jolay.

10) Ny rakitra farany tamin’ny 8 jona (Pentecôte) tany Lausanne dia nahatratra 140.95 CHF.