culte | fivavahana,fkmsm

Fotoam-pivavahana / Célébration , 05 août 2018, 15:00, Servette (GE)

1 Août , 2018  

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.» Jaona6:35

Izany tenin’ny Soratra Masina izany no indramina hoentina manasa anao am-pifaliana ho tonga hiaraka hidera an’Andriamanitra eto amin’ny FKMSM.

Ny fotoanantsika manaraka dia ny alahady 5 Aogostra 2018 ho avy izao, manomboka 3 ora tolakandro, ao amin’ny Temple de la Servette, avenue Wendt 55 Genève 1203.

Koa dia maniry ny hihaona aminao am-pifaliana.

Ny fahasoavan’Andriamanitra anie ho aminao sy ny ankohonanao.

***

« Celui qui vient à moi n’aura jamais faim, celui qui croit en moi n’aura jamais soif » (Jean 6,35)

C’est avec cette Parole et avec joie que nous vous invitons à la célébration de la FKMSM.

Notre prochain rendez-vous aura lieu ce dimanche 5 août 2018 à 15h au Temple de la Servette, avenue Wendt 55 Genève 1203.

Nous espérons vous revoir à cette occasion.

Que Dieu vous bénisse ainsi que votre famille!

fkmsm,projet | tetikasa

@genda projet

28 Juil , 2018  

Nous vous préparons une jolie surprise •
Manomana « surprise » mahafinaritra ho anao izahay • http://projet.fkmsm.ch

 

, ,

divers | samihafa,fkmsm

Famelabelarana/ Conférence , 29 JUILLET 2018, 15:00, Genève (GE)

24 Juil , 2018  

Manasa antsika rehetra hanatrika ny Famelabelarana izay ho tontosain’i Atoa Rakotolehibe Mamy mivady izay Tale Nasionaly Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly, amin’ny Alahady 29 Jolay 2018 amin’my 3 ora tolakandro ao amin’ny grande salle du Temple de la Servette.

« Ny herin’ny tso-drano ho anao/Nomery 6.22-27 »

Tongava maro, ento ny havana sy namana.


Dimanche 29 juillet 2018 @ 15h > Conférence avec Mr Rakotolehibe Mamy, directeur de la Ligue pour la Lecture de la Bible à Madagascar.

Temple de la Servette (EPG)
Avenue Wendt 55
1203 Genève

Contact +41 76 500 69 52

culte | fivavahana,fkmsm,réveil | fifohazana

Fotoam-pivavahana Fifohazana / Célébration, 15 juillet 2018, 15:00, Ecublens (VD)

12 Juil , 2018  

Faly manasa anao amin’ny fiaraha-mivavaka FKMSM ny Alahady 15 Jolay ho avy izao, @ 3 ora tolakandro.
Fotoana ahafahana mandray Asa sy Fampaherezana.
Place du Motty 1
1024 Ecublens

Aorianan’ny fotoana dia hiaraka finale Coupe du monde isika.

Faly indray hifankahita aminao!

 

Dimanche 15 juillet 2018 @ 15h > Temple d’Ecublens
Place du Motty 1
1024 Ecublens

Faly manasa anao amin'ny fiaraha-mivavaka FKMSM ny Alahady 15 Jolay ho avy izao, @ 3 ora tolakandro.Fotoana ahafahana mandray Asa sy Fampaherezana.Place du Motty 1 1024 EcublensFaly indray hifankahita aminao!

Gepostet von Ag Enda am Mittwoch, 11. Juli 2018

, ,

fkmsm,nouvelles | vaovao,solidarité | sosialy

@genda | Filazana manjo

11 Juil , 2018  

«Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha-mitomany amin’izay mitomany” (Romana 12: 15)»

Miarahaba antsika rehetra, amin’ny maha iray antsika ao amin’ny Tompo dia amin’alahelo lehibe no ilazana aminartsika fa nodimandry ny zandrin’i Liva faralahy.

Vaovao mampalahelo faha-roa, nodimandry koa ny maman’i Nivo.

Efa lasa any Madagasikara izy ireo dia mangataka antsika hitondra antsika hitondra am-bavaka hampahery ny fianakaviana.

Iangaviana isika hampita izao filazàna izao amin’ireo namana izay mety tsy tratra antso amin’ny mail.

, , , , , , , ,